Takariva amoron-drano (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Takariva amoron-drano

Malala a, Tadidinao ve?
Ilay tery amoron-drano
Ilay indray takariva iny e
Dia ianao niventso tononkalo
Sy nitantara angano
Tadidinao ve iny?

Dimy taona lasa tokoa izay
Izay tsaroana ankehintriny
Ilay ianao nanoroka ahy
Natahotra fahiny

Dia zary fihomezana sisa
Rehefa aty aoriana aty
Ilay toeram-paradisa
Tery amoron-drano tery

Rehefa iny dify ilay masoandro
Dia iny isika naka toerana
Teo ambodi-hazo maintso
Nitanisa ireo vonin-draozy
Izay tena tiany indrindra

Ny tarehinao mamiratra
Tahafin'ilay hazavana mena
Toa mitara-bolamena
Ilay tsiky sy fiangoty
Ravahan'ilay hatsarana
Tsaroako foana mazĂ na

Kanto loatra ny natiora
Velon-tsiky anivon-tsika
Injany voron-kely mihira
Ao an-tendron-kazo ao
Dia nanoroka ahy ianao

Nalain'isaraka tokoa
Dia ireo kintana eny ambony
Iry volana mibaliaka
No fanilo nanazava antsika
Rehefa iny isika hifandao
Dia nilatsaka ny ranomasonao

Satria mbola te ho fihiniko
Raha iny ianao nobanjiniko
Dia iny masonao tomany
No nofafako ny mosoarako
Tiako ianao ry malalako

Nifanoroka isika, nifanao veloma
Samy nalahelo, nikofakofa-tanana
Androany akia tsaroana
Ilay takariva amoron-drano
Efa tonga tokatrano
--------
Rohy:
4283 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0125