Tena fitiavana. (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tena fitiavana

Tsy ny hatsaran-tarehinao
No nambabo ahy
Tsy ny bika aman'endrikao
No nahasarika ahy
Fa ilay toetra anananao
Ilay hatsaram-panahinao
No itiavako anao

Tsy ny vola be anananao
No nahamaika ahy
Tsy ny harena be anananao
No nanintona ahy
Fa ilay hatsaram-ponao
Izay mendrika anananao
No itiavako anao

Tsy izao fahorianao izao
No nampalahelo ahy
Tsy izao fijalianao izao
No mampitsetra ahy
Fa ilay foko anatiko ao
Mihitsy no efa tia anao

Tsy ny haratsianao
No hampiemotra ahy
Tsy ny kilema anananao
No hampilefitra ahy
Fa ilay foko no tia
Ka tsy voasakana satria
Tiako ianao

Tsy ny fahantranao
Na ny tsy fanananao
No hampanda ny saiko
Fa ianao no tena ilaiko
Fa ny foko efa babonao
Eny efa tiako ianao
--------
Rohy:
8784 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0117