You are here: home > Vetso

Dia ho diso ve aho? - nalsonrazakariasa

Dia ho diso ve aho?
raha hamela anao toy izao
ny ditra mifangaro
izay efa vitanao

dia ho diso ve aho?
f'efa izany no niainako
mety ho simba aho
raha izy no fiainako

dia ho diso ve aho?
raha hiova fitia vaovao
ilay fitia nomeny ahy
kay fitia kilalao

dia ho diso ve aho?
raha tsy ho any intsony
satria handratra ahy
izy sy ny olon-tiany

dia ho diso ve aho?
raha hamalona ny tantara
izy tsy ho ahy
sady tsy ho anjara

dia ho diso ve aho?
raha toaka hanadino
ny fitiavany mampanahy
ary tsy hampino

dia ho diso ve aho?
raha toaka handrava
ilay fitia ho ahy
ho potehiko  ho rava

dia ho diso ve aho?
raha amoy ny lasa
izay tsy natao ho ahy
ka aleo ho voafafa

dia ho diso ve aho?
raha anoy ny diako
misampana ho ahy
ka aleo aho hidila koa

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha