Efa tsy rariny loatra (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Efa tsy rariny loatra

Efa tsy rariny loatra, efa tafahoatra
Ny fanaratsiana sy fanambaniana
Ataon'ny sasany, sa izay no asany?
Ahazoany karama, sa voafatotry satana?

Efa tsy rariny loatra, ny teny avoaka
Feno fiantsiana, miaro fampiadiana
Feno fankahalana, ataonao madama
Efa mihoatra ny fefy, izay hita fa tsy mety

Efa tsy rariny loatra, ireo vokatra navoaka
Asa aloha raha marina, fa sarotra takarina
Sarotra ny mino, ka ny ho avy no banjino
Izay mangina volamena, tsy midika faharesena
--------
Rohy:
1009 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0161