Fararano (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fararano

vao mangiran-dratsy
ireo mpijinja vary
dia efa tazana tsy satry
ery antanim-bary

handeha hijinja ireo nafafy
izay amam-bolana maromaro
misy koa nefa ahi-dratsy
izay esorina tsy hifangaro

ny sasany mijinja
moramora famindra
ny sasany mitaona
ho eny ampanilaona

tena vokatra tokoa ity ny vary
izay notazana teny antanim-bary
ka hanaovana santa-bary
ireo loham-bary

misy ireo mively
izay maro fa tsy irery
ka lasa resadresaka itony
hita tena faly ny fony
--------
Rohy:
855 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0163