Fitia vita sedra (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fitia vita sedra

Impiry moa ry tiana
Nandalo fijaliana
Nandalo fiafiana
Alahelo sy tomany
Adiady sesi-lany
Hirifirin'ny hatsiaka
Hafanana be mandoro
Ity fitiavan-tsika
Kanefa mbola mijoro

Impiry moa malala
Ny esoeson'ny mpankahala
Ny fanara-tsian'ny tsy tia
Te hamotika, handrava
Handrombaka ilay fitia
Saingy...
Ny an-tsika tsy ho rava
Fa ho mandrakizay doria
Ka ho sasam-poana izy ireo
Ho vazam-poana ny toreo

Impiry moa isika
Nandalo ola-maro
Nandalo tamin-tsika
Ireo fiaina-mifangaro
Ny fosafosa, disadisa
Maro tsy voatanisa
Tsy hita isaina
Ireo nampiferin'aina
Nampitaraina
Tsy natao nahakivy
Ireo mamy sy mangidy
Nifamahofaho tokoa
Ny ratsy sy ny soa
Nianjady tamin-tsika
Ny hafanana, sy hatsiaka
Fa indro mbola toa
Ilay fitiavan-tsika roa

Ka fitia vita sedra
Ny an-tsika ry malala
Voavaha ireo nangeja
Sy ireo mpankahala
Ireo mpanaratsy
Ireo izay tsy tia
Satria ny an-tsika mantsy
Fitia ho doria
Fitia voa sedra
Fitia mandramaty
Fitia miredareda
Fitia avy ao anaty
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2060 4
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0181