You are here: home > Vetso

Fitiavan-tanindrazana - Nalison Randrianaivo

Fitiavan-tanindrazana

ry malagasy miteny
fa hoe tia tanindrazana
kanefa anefa ireny
no tena mpamalana

ao am-bava ao fotsiny
ny hoe fitiavan-tanindrazana
hay tsisy fotony
fa mivarotra razana

mampalahelo re izany
hoe tsisy tia ny tanindrazany
fa botribotriany hatrany
fahantrana no giazany

mijoroa, misahia
fa hoe tia ny tanindrazany
ka misahia miriaria
fa ho avotra ny taniny

raha misy sahy milaza
fa tena tiany ny tanindrazany
angamba izy no sahaza
ho filohan'ity taniny

anefa ireo mpanao politika
anie ka be fikafika
milaza fa tia tanindrazana
nefa tia tena rahavana

Hametraka hevitra

Midira aloha