Fitoriana sy famaliana (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fitoriana sy famaliana

L: He ry tovovavy
Mba etsy kely anie azafady
Tsy izany akia fa izao a
Ny foko tia anao

V: Miala tsiny azafady
Fa tsy makany ny angady
Fa be vato ny tany
Ka miala ianao any

L: Aza atao an'izany moa
Fa izaho dia tokampo e
Izay fitiavana toy ny siny
Hajaiko foana ianao ho virijiny

V: Aza mirediredy
Fa izaho mbola bedy
Sady mbola kely
Tsy mendrika ho reny

L: Tsy mirediredy sanatria
Fa mba manana fitia
Ho atolotro ho anao
Ka raiso moa aho e
Tsy ho tonga dia ho reny
Akory...
Izaho ianao mafatifaty kely
Fa mbola anjely
Sy mademozely

V: Ataoko anie ianao fa tia e
Fa izaho mbola tsy any
Mbola tsy amiko ny fitia
Izaho mbola tsy mahay izany

L: Ao hampianariko
Atoroko anao
Fa ny ahy dia ho hakariko
Ho vadiko ianao
Fa izaho tsy milalao

V: Ho vady aho ho vady
Fa angaha any sahady
Toa manofinofy izato ianao
Izaho ary mbola tsy hainao
Koa...
Raha ho tia anao

L: Ho ay azafady
Fa izaho maika loatra
Maika handeha sady
Fa diso tia tafahoatra


V: Jereo ary izato izy
Mbola sain'ankizy
Toa izaho indray
Ity no mahay

L: Tiako ho aho ianao
Mba valio raha sitrakao

V: Aoka aloha amin'izao
Tsy hoe tsy tiako ianao
Fa izaho tsy miteny
Akory hoe eny ny valin-teny

L: Eny ary fa izaho tsy andidy
Fa miandry izay ho rariny
Ianao no misafidy
Na ho eny na tsia no valiny
Ka asakasakao ihany
Na ho ngidy na ho mamy
No havalinao ny fitiavako
Koa miandry aho rahavako
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
4965 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.02