You are here: home > Vetso

Ho tsiniko ve? - Nalsonrandrianaivo

Ho tsiniko ve?

Ho tsiniko ve?
Ny handao anao irery
Handositra ny tavanao
Tsy hoe aho voatery
Fa tiako ho tsapanao
Ireo alim-pahoriako
Ireo andro niafiko
Tsy nahita-masoandro
Isan'andro isan'andro
Fa jaly no nangeja
Ilay masoandro tsy hivoaka
Tsy hihiratra sy meva
Homaloka tsy hipoaka
Fa mangidy loatra

Ho tsiniko ve?
Raha hamoy anao ny tenako
Hanala ireo sorenako
Fa voagejam-pitiavana
No ny nataonao rahavana
Ka hitady olon-kafa
Hanadinoiko anao ho lasa
Ho zary fahatsiarovana
Ireo endrikao amam-bika
Sy ireo jaly nolalovana
Hiova ho sariaka
Raha tsy anilanao
Ny anarako fafao
Hadinoy aho

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha