Ilay Tanjona Niriana (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ilay Tanjona Niriana

Ilay Tanjona Niriana
Tarigetra niombonana
Ka mila fahavononana
Raha tianao ho tafita
I Gasikaran-tsika
Dia ndao hiray hina
I Dada no fidiana

Ilay Tanjona Niriana
Dia ho Filoha vaovao
Ny taona ho avy izao
I Dada Ravalomanana
Ka ndao re tohanana
Fa mila azy ny rehetra
Tanterao ilay tarigetra

Ilay Tanjona Niriana
Niombonana hatr'izay
Mba ho anao sy ho ahy
Dia ho avotra ny tany
Ka i Dada re no lany
Koa ndeha ary tanterao
Ilay fanambinao

Ilay Tanjona Niriana
Handroso i Gasikara
Ny Gasy hiaina tsara
Miaraka amin'i Dada
Dia tsikitsiky lava
Handroso indray ny tany
Koa minoa fotsiny ihany

Hafa ihany i Dada
Hoy isika mikotaba
Hoe Lany Dada, lany Dada
Ka nibata Fandresena
Dia avotra ny firenena
Ity no fahaleovan-tena

Ilay Tanjona Niriana
Dia i Dada no fidiana
Aza misy miala isika
Fa i Dada no mahavita
Dada ihany, Dada hatrany
Ary tsy maintsy lany

Lany Dada aaa
--------
Rohy:
1944 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0162