You are here: home > Vetso

Izay tia adala - Nalison Randrianaivo

Izay tia adala

Izay tia tokoa adala e
Tsy mahay misalasala
Mandresy izato tahotra
Ka sahy tsy mivahotra

Izay tia tokoa adala e
Fa te hanana malala
Ka na saotra ary izany
Dia ny ho tiaviny ihany

Izay tia tokoa adala e
Tsy mahay mankahala
Fa avy dia tokam-po
Heee. Tsy manam-paharoa

Izay tia tokoa adala e
Ka misisika hahalala
Ny tena ao am-ponao
Satria babo tsotr'izao

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha