You are here: home > Vetso

Lazao azy - Nalison Randrianaivo

Lazao azy

Ry vorona hamonjy fodiana
Mba vangio izay malalako izay
Lazao azy fa ianao irery no tiany
Ary tsy foiko mandrakizay

Lazao azy fa tiako foana izy
Ary ho tiako mandrakizay
Lazao azy f'izaho tsy mba kivy
Fa manantena ihaona indray

Lazao azy koa fa tsy foiko
Ireo safosafo sy teny mamy
Lazao azy fa tsy ho hadinoiko
Fa ianao irery no mahay izany

Lazao azy f'izaho tsy manadino
Fa matsiaro azy foana foana
Lazao azy ary koa mba fihino
Ireo sary tavela aza avela hisaona

Lazao azy fa mahatsiaro banga
Ny fiainako tsy eo izy
Lazao azy f'izaho dia jamba
Kanefa koa izaho tsy kivy

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha