Leferiko - Nalison Randrianaivo
Leferiko
Tia anao aho
Eny tena tia
Ary vonona ho doria
Nefa aho matahotra
Ary koa miahotra
Fa ndrao ka ho fery
No havalinao ahy
Ka aoka ho ahy irery
Ny fitiavako
Tsy ho lazaiko anao
Izay ao am-poko ao
Fa ho koboniko manokana
Ho tsiambarantelo
Eny, ireo halahelo
Tsy ho lazaiko anao
Ireo kiky sy tomany
Aoka ho ahy irery ihany
Tsy tiako ho fantatrao akory
Izay manjo ahy
Na alina matory
Tsy ahitan-torimaso
voageja ny an-kaso
Sy ireo fahoriana
Jalim-pitiavana
Ny zioga lanjaina
Mampiferinaina
Tsy tiako raha ianao
No hahalala izany
Ka aoka ho ahy ihany
Ho leferiko ny hambom-poko
Mba tsy ho setrin'ny toloko
Sokajy :
Fampaherezana, Fitiavana
Mombamomba
Mpanoratra : Nalison Randrianaivo

Nampiditra : nalsonrazakariasa2015
Daty : 15/04/2018
Mpamangy : 331
Mankafy : 2
Ankafizo
Tononkalo hafa
Tsy nampoizikoHitia anao mangina
Ilay Tanjona Niriana
Raiso Am-pitiavana
Resy lahatra.
Resy lahatra
Ampy izay
I Dada jerena
Tsy Miala amin'ny Dada
hamafiso ny Hery