Resy lahatra. (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Resy lahatra

Nodiniako ambony, nodiniako ambany
Nofakafakaiko, nohalaliniko tsara
Fa raha sanatria i Dada no tsy lany
Dia voavarotra tanteraka i Madagasikara

Aiza moa ahavitana izany Miami izany
Ary koa ity izy asiana puce hono ny omby
Angamba poakaty sy nofinofy ihany
Fa ny tena loza dia izy nisy nitory

Koa raha io ve no lany eo sanatria
Tsy vao maika hahanitra ny firenena
I Tamatave hono atao miami
Dia hamidy izany ireo andramena

Dia hanangana building koa hono izy
Angaha moa isika mipetraka ao akory
Vao maika aza izany no tena krizy
Satria tsy voatsinjo ny mahantra sy ory

Ny EPP koa hono asiana parking
Ho Totorana ny tanintsika ananganana building
Toa nofinofy tsy ho tanteraka ilay IEM
Aleo ihany Dada amin'izay aho tsy manenina

Ho fidiako i Dada, Manifesto sy MAP
Ny Fandrosoana tena izy izaho mahatsapa
Resy lahatra aho ka ho tohanako izy
Ho fidiako i Dada hanala ny krizy

Ho an-tsika izay mbola tsy resy lahatra
Aoka isika mba hisaina sy handinika
Andriamanitra irery ihany no mandahatra
Ary Nanolotra an'i Dada mba hitsinjo ny madinika
--------
Rohy:
1547 0
Hevitra mandeha
jrajaoarizafy2018 ( 28/11/2018 17:25)
Tena milay
nalsonrazakariasa2015 ( 28/11/2018 18:19)
Misaotra e
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0159