You are here: home > Vetso

Sambatra aho manana anao - nalsonrazakariasa

Sambatra aho
manana anao
izay tiako sy tia ahy
tsara toetra malemy fanahy
avy hatrany dia manaja
olo-be fa tsy zaza

sambatra aho
manana azy
fitia tena fitia ny azy
tsy nataony vazivazy
fa nataony avy ao anaty
ka iaradia mandramaty

sambatra aho
manana anao
izay ny fitiavany tsy kilalao
fa natolony ho ahy daholo
ny aminy iray manontolo

Sambatra aho
manana anao
isika tsy nilalao
fa niaraniombona ho doria
iaradia mandrakizay
dia ny fo hitambatra ho iray

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha