You are here: home > Vetso

Setrim-pitiavako - Nalison Randrianaivo

Setrim-pitiavako

Ilay fo mba nanantena
Tsy holavina fa ekena
Kanjo indrisy re ry tany
Fa nolaviny ihany

Tsy tsapany ny aoriana
Fa ho ngidim-pahoriana
No nasetrinao rahavana
Sy setrin'ilay fitiavana

Ity fo dibo-pijaliana
Fa nolavinao ry tiana
Ilay fitia izay natolotra
Zary lasa tendro-molotra

Tsy mba mamy nonasetriny
Fa mangidy re no nentiny
Ilay fitia mba nantenaina
Indrisy re very maina

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha