Tsapako (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsapako

Mbola zakako foana aloha
Ny tsy anilanao ry tiako
Nandritra ny fotoana maro
Hatrizay dia niafiko

Nalahelo aho indraindray
Kanefa niezaka nampionon-tena
Hoe: hanadino anao tamin'izay
Indrisy toa nahasorena

Fa ny anaranao indray
No antsoin'ity vavako
Hay tsara ny roa noho ny iray
Ka aiza ianao rahavako

Tsapako manko ankehitriny
Fa zatra anao ity foko
Ka ho fohaziko ny fahiny
Ny foko mbola tsy niova loko

Tsapako ianao fa mbola tia
Tamin'ireny vao isika
Mino aho anefa fa ho doria
Ny fitiavantsika tsy hangatsika
--------
Rohy:
700 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.016