Tsy andriko intsony (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy andriko intsony

Ny foko tsy mety ho tony
Ny saiko tsy mety milamina
Ka tena tsy andriko intsony
Ny ahitana anao marina

Ny omaly izay efa lasana
Nifaliako teo anilanao
No mitoetra foana mazĂ na
Irony niarahana natao

Koa tsy andriko intsony
Ny hiverenan'ireny akia
Toa tsy hay hoe hajanony
Ny tsiaro irony fitia

Rahoviana akia ry tiana
No hiverina indray ianao
Hamerina ireny fifaliana
Niarahan-tsika sy ianao

Ny hampitso vao maraina
Hiriako hanery ny saina
Ho avy eto anilako ianao
Hitondra fitia vaovao
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1044 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0157