Vinam-pitiavana (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Vinam-pitiavana

Malala a
Ny tiako dia ianao anilako foana
Eny fa na aiza na aiza na inona fotoana
Fa ianao ihany no hany mahasambatra ahy
Ilay tokana an-tany sy silam-panahy

Toa tsy ho andriko ilay andro iray
Hitambaran-tsika ho tena iray
Fa satriko re androany dia androany
Kanefa indrisy mandrotsa-tomany

Na izany aza anefa sitrako ery
Ianao tsy handao ahy fa hankafy
Ny akanton'ny voary sy ny tontolo
Feno loatra anao ny foko manontolo

Ireo vinan'ny fitiavan-tsika
Dia ny ho iray tsy mivaky isika
Rahoviana vao ho tonga ary izany
Ny tiako dia tiako dia ianao ihany
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1770 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153