You are here: home > Vetso

Hafatra - Rado

Ho any ianao, kanefa ...
Aza ataonao fantany
'zao fahoriako izao, fa aoka hiafina aminy
ny ketoky ny jaly
nanempoka ny aiko, tanatin'ny longoa
izay namandrihany ahy ...
Ny dinitry ny foko manorika ahy mangina
fa sempo-tsasak'alina
misaina ity anjarako,
Aza ataonao fantany !

... Raha manontany izy,
iangaviako ianao handainga indray mandeha !
Lazao fa nanadino ny momba azy rehetra
ny saiko manontolo.
"Rako-bonikazo hoe ireo lavenon-dasa
natoraky ny Adaoro"
Ireto diary ireto lazao fa efa may
sy tapitra efa kila ...
... fa ny volofotsiko,
ny ketronketron'handriko
Afeno dia afeno !
Azonao izany ?

Etsy kely koa
hafarako ianao !
Jereo raha sambatra izy ! Mba hamantaranao
dia ireto no fambara :
"Ao an'efitranony : misy voninkazo
tsy maintsy mavokely ...
Eo an-doha-fandriany :
ny sarin'olon-tiany ... na iza n'iza izay"
Raha izay no hitanao dia efa sambatra izy
ka aza asiana resaka momba ahy akory,
f'izany rahateo no niriko ho azy ...

Izany no hafatrafatro
ka tazony tsara ... Ary dia veloma !
Saingy etsy enge !
'Ty tànanao ity, aza akasi-javatra
mandra-pifandrain'ny tànanao sy ny azy ...

Eny e ! Ampy izay. Tongava soa aman-tsara !
Dia akatony mora
io varavarako io
fa hitomany aho ...

Mombamomba

Mpanoratra : Rado


Nampiditra : Oully
Daty : 03/10/2003
Mpamangy : 18866
Mankafy : 31
Ankafizo

Tononkalo hafa

Angamba
VOUROMANGA
Mpangalatra
SEPTAMBRA
halako
SATRIKO HOLAZAINA ANAO
RAVIN-KAZO MAINA
MENA
AZA MANADALA SAINA
DADA

Hevitra mandeha

aladin (15/04/2004 14:50:04)

toa mampalahelo be?dia tena tantaranao ve io?na izany na tsy izany, milay be le izy e!
mpanoratra ihany

hendry (23/04/2004 17:01:54)

tsara!

sarondrahona (14/05/2004 10:47:36)

SETRINY( valin'ny hafatr'i RADO)
Mipetraha aloha ianao
ary aza dia misento mafy
Na handrovitra fitafy
fa henoy izay lazaiko :
Sombin -teny no voaraiko
vao handia ny tokonana,
Sady nanana fironana
Ho fari -piainana ambony;
ka tsy mihambahamba intsony,
fa miaina an -teny baiko
Sy ny "IALAHY", raha toa ka gasy
Ary sary an -taratasy:
Olon -droa misakambina
No tazako tam -baravarana
fa efa vita fianarana
Ity zatovo ilaharany
Eo an -doha - farafarany

Voninkazo mavokely
Toa mivolom -bolamena
No manatrika Jerena,
Ary sezan'olo -mihaja
No miampatra ao an'efiny
Sy ireo firavaka tinefiny

ka tsy nisy azo hidirana
Fa izao tody izao
Mba hitatitra aminao:
Tsy nisy tanana voaraiko
Tsy nisy teny mba nambarako,
Fa sambatra izy no fitsarako

Ka aza mihevitra azy intsony
Na hanembona izay tsy izy
fa efa tena sambatra izy
Ny mbola ho avy no andraso
Dia fafao ny ranomaso

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
Faribolana SANDRATRA Antananarivo.
Tél: 033 12 680 89 ( ora fiasàna ihany)

Dia misaotra betsaka RADO, tamin'ilay teny fanolorana tamin'ny TANAN -DAVA a !

ronaldo09 (18/05/2004 10:22:25)

Raha hoatra anao daholo ny olona mandroso soso-kevitra eto dia ,lafatra ity serasera ity .Ny tiako ho tenenina fotsiny amin'ity tonon kalo ity dia ny hoe raha manontany izy iangaviako ianao handinga indray mandeha ,ny mpanortra anefa eto efa hita fa ketoky ny jaly koa maninona moaraha lazaina ilay fahoriana

baboune (26/07/2004 15:21:50)

ity tononkalon-dRado ity no nahatonga ahy ho nankafy tononkalo.

nyeja (04/09/2004 08:27:24)

eny , tonga tany aho,
arak\'ilay hafatrao

tiako ambara mialoha
tsotra dia tsotra tokoa
ilay efitranony vaovao

...
nifampiarahaba izahay
ka nohararatiko ny hampita
ilay tananareo mba nifandray
na dia tsy mifankahita .

dia nifanatsafa teo
indro toa tsy hitahita
gina tsy nahaloa-peo
samy lasa visavisa


izy vahotra hanontany
izaho toa mihaino azy ihany.

raha ny teo andoha fandriany
eny nisy sary teo
dia ilay sarin\'olo tiany
nobanjininy avy eo

notondroiny tamin\'ny tananany
ka nampiany tsiky kely
ny ranomasony tsy tanany
ankona izy tsy niteny .


izaho aloha tsy hamaly
fa efa azonao vinany
raha tena hoe \"sambatra izy\"

ny valin-kafatra dia izao:
mila mankany mihitsy ianao!

ny valin-kafatra dia izao:
mila mankany mihitsy ianao.
Ny Eja 2004

andriary (10/11/2004 14:06:12)

dia samy hafa ny famitana iraka nataon' nyeja sy sarondrahona!
samy tsara

lasary (10/11/2004 18:59:44)

azafady andriamatoa
raha ny hamboko
de tsy tonga any aloha
fa aleo ho tsapany tsara
fa de sarobidy zany hoe malala

misaotra anao nampita hafatra
sady tena tonga lafatra
hanofy ratsy rahariva
ahatsiaro ireo efa nadiva

sambatrao fa tafita
ireo alaheloko
zay nentiko
hatrizay mino aho fa ho avy izy
ka amerina ireo efa rava izahay

nani (22/11/2004 19:12:47)

lasary an ,koa efa tena mbola tia anie de tsy manana hambo zany tsony e ,

tissa (17/04/2005 16:19:21)

ra za alo de ataoko fantany mintsy za hoe mijaly noho ny aminy . ataoko mitatara mintsy le olona

rapisoukely (22/06/2005 21:50:08)

an,an aza atao fantany akory hoe mijaly ianao. Toy ny ahy dia efa tena ampy ampy ho ahy ny kapoaka mangidy entiko. Aleoko izy sambatra eo anilan\'izay tiany. Ny ahy fitia diso toerana.
Aza avela mbol ahanapotika anao be be kokoa izy.

Tohiny

Hametraka hevitra

Midira aloha