You are here: home > Vetso

Biby masiaka ny alina - Herizo ANDRIANITSIAHY RAVONJISON

Ho aiza no dia mamikiviky,
Amin'ity andro efa alina.
Mandeha hitsirepirepy,
Hianjera any amparan'ny lalina.
.
Nahoana no sahy mandeha irery,
Ny alina anie ka feno ditra.
Aza manao anao ho hendry,
Fa saino ihany izay mety
handratra.
.
Sao hateliny aizina amin'izany
isika,
Ka na ny faty halevina aza mety tsy
hisy.
Tandremo sakaiza fa biby masiaka,
Ny alina izao ka tsy mba mitsitsy.
.
Jereo ny gazety mpivoaka
isan'andro,
Moa ka tsy ny matin'ny alina no
tena lazaina.
Dieny mbola tsy lasa lavitra r'ise
ity dia an-tongotra,
Dia miverena ary miandrasa
maraina.
.
Nosoratan'i Herizo
ANDRIANITSIAHY RAVONJISON

Sokajy : Ahiahy, fananarana

Hametraka hevitra

Midira aloha