Aminy - Herizo Ravonjison Andrianitsiahy
Azo vakiana?
Aminy
Aminy ny fitiavana tsy banga ho fenoina,
Fa fetra feno amby, ampy ho zaraina.
Ho laniana dieny andro misy tiana ho koloina:
Izy no andry fianteherana raha misy ny taraina.
Aminy ny fitiavana tsy mba misy fanerena,
Ka any aoriana any hisy ora ahalatsa-panenenana.
Tsy sendra mba hitia, ka tsy mahay mitia tena,
Fa safidy fotsiny, na lazaina ho havendranana.
Aminy ny fitiavana dia feno fahatsarana,
Toa manafina ny marina, fa tsy manitsaka ny rariny.
Satria manorina ny tsara, amin'ny fandikan-dalàna,
Fa mahasoa ny tiany na dia nahazoany tsiny.
Aminy ny fitiavana dia tsy mitana ny hamparary,
Ireo hadisoana sy hadalàna mihoatra ny mety.
Fantany ihany ny alahelo, fa mety tsy hampanjary,
Ka raha sendra misy izany, dia hisinda vetivety...
Aminy ny fitiavana dia natao ho araraotina,
Tsy fahatsorana ihany, fa famoizan-tena tafahoatra.
Sambatra ianao raha miazona azy ho sarangotina,
Fa manana andry mafy amin'ny olana rehetra...
Amiko ny fitiavana dia ampy amin'ny zavatra tinady.
Indro lavitra ny lalana izay tsy maintsy mbola hizorana.
Ka, raha mety, aza sakanana azafady,
Ny fizarako aminao ny tena fahasambarana.
Amiko ny fitiavana tsy banga ho fenoina.
Fa fetra feno amby, ampy, ho zaraina,
Ho laniana dieny andro amin'ny tiana hokoloina,
Izaho ilay andry fianteherana raha misy ny taraina.
Mombamomba
Mpanoratra : Herizo Ravonjison Andrianitsiahy

Nampiditra : zonytsiahy
Daty : 02/05/2022
Mpamangy : 93
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
Omeko anao daholo izay tsLafatra r'Iaina no fetra
Sanatria raha hisy
Avelao ho ahy ny lapan'ny fonao
Ahy
Ho avy ny andro
Ity ny teniko
VOASARIKA
Misy reny tsy miteny
Diso tety