Injany toa miako (Herizo Ravonjison Andrianitsiahy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Injany toa miako!

Injany toa miako,
Toa reko tsy miato!
Injany manakoako,
Ilay feo nikika tato anatiko!

Fa mitady olon-tiana!
Hanafoana fahoriana!
Hanala izato fangirifiriana!
Ka mba hitondra hafaliana!

Injany fa misy lina,
Lina mba hiaino ity faniriana!
Ka antenaiko mba hitondra hamamiana;
Amin'ity fiainako feno fijaliana.

Injao tokoa fa mamaly,
Tsy manao hoe tsy hakamaly!
Fa ahakony mba ahafaly!
Ilay fitia hanala jaly.

Indrisy anefa fa manorisory,
Indrisy fa tsy tonga akory!
Resin'ny rivotra ilay ako saika hanala sorisory!
Ka tsy reko ilay fitia mamorivory!

Dia naveriko ilay feoko!
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
630 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1389