Iny izy avy (Herizo Ravonjison Andrianitsiahy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Iny izy avy,
Izaho tsy nahateny.
Iny izaho niangavy,
Izany toa tsy reny.

Fa takon-tabataba izao tontolo izao,
Fa resin'ny feo milaza fandavana!
Ka njary tonta na dia mbola vao,
Ilay antso hoe fitiavana.

Iny izy avy kay,
Nefa toa miavonavona!
Dia tsy antenaiko indray,
Ilay foko mba ho tiavina!

Kinanjo aoka izany,
Fa takon'izato fietsiny mamono lolo!
Ity hoy izy f'aza mitomany,
Ho anao ilay foko manontolo!

Dia endrey fa nekeny ,
Na dia takona ilay feo!
Ilay feo saika tsy reny,
Lasa beso hoa azy teo.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
653 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147