Mbola ho antitra! (Herizo Ravonjison Andrianitsiahy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aza dia variana sy sondriana,
Amin'ny endrika ivelany!
Sao ho latsa-panenenana,
Rehefa any aoriana any!
*
Aza mirehareha amin'ny hatsaran-tarehy,
Raha mbola eto an-tany;
Fa mandalo mantsy ireny,
Ka tsy voatazona mihitsy!
*
Aza misaina ho tonga lafatra,
Raha tsy misy tsiny koa ny bika!
Ndrao ho lavo an-tsasan-dalana,
Satria ireny mantsy fitaka!
*
Ny hendry mora hanarina,
Ny eto an-tany fandalovana!
Ka tsy ny endrika akory no midika inona,
Fa ny fanahy no maha olona!
*
Aza dia mirehareha,
Amin'izay endrika hananana!
Satria mbola ho lavitra ny aleha,
Mbola handalo fahanterana!
*
Ka amin'izany ora izany,
Dia hisy fanadinan'ny fiainana!
Ary hibaribary eo amin'izay,
Fa tsy midika inona ny endrika nananana!
*
Nosoratan'i Herizo RAVONJISON ANDRIANITSIAHY
--------
Rohy:
725 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.0987