You are here: home > Vetso

Ny tsiriry - Herizo ANDRIANITSIAHY RAVONJISON

Ny tsiriry.
.
Toa tsara ery izany andro,
Baliaka kanto ny masoandro,
Jereo anie ery kamory,
Velon-tsioka ireo tsiriry!
.
Indreny koa ny andiana sarety,
Mamakivaky ny tanety.
Fa andeha hijinja sy hitaona vary,
He, velom-bolo ny tsiriry.
.
Izatsy mangamanga izatsy,
Ny farihin'Itasy.
Misangisangy eo ny tsiriry,
Kanto hoy aho ny zava-boahary.
.
Fa tazano kosa ny ankizy,
Izay manangona vato kilonjy!
Hitorahany ilay voahary,
He mampalahelo ny tsiriry.
.
Nosoratan'i Herizo RAVONJISON ANDRIANITSIAHY

Hametraka hevitra

Midira aloha