You are here: home > Vetso

R'i Voahary - RAVONJISON HERIZO

Misy fitiavana matory,
Tsy maheno ny antsoko akory.
Fa miesona miala amin'ny tany,
Dia ny fitiavanao izany!
________________
R'i Voahary miesona amin'ny torimaso,
Tsy mahare ny onjan'ny akaso.
Fa mandeha jambena tsy mijery,
Dia ho aiza ity ianao mandeha irery´╝ü
________________
Ho aiza ao anatin'ny nofy mahasonenoka,
Anatin'ny torimaso maharenoka.
Hofohaziko mety harary an-doha,
Avela nefa mbola ho ela vao hifoha!
________________
R'i Voahary , mifohaza ka miarena,
Ialao ny torimaso mahasondrena.
Ndehana ka izahao,
Fa efa maraina ny andro ao!

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha