Saino (Herizo Ravonjison Andrianitsiahy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy voatery amin'ny fitenenam-poana,
No anehoana fahatezerana;
Fa ny tena fahendrena,
Dia ny mitory fandeferana!
*
Tsy ny avonavona ihany koa,
No hamatarana fa manana ny marina;
Satria tsy amin'ny monkon-doha,
Fa lakile no amahanana varavarana!
*
Tsy ny sandry no midika inona,
Ka hoentina hisehosehoana;
Na anehoana ny habadoana!
Fa ny fanahy no maha olona!
*
Tsy ny bika na ny endrika,
No entina mirehareha;
Tsy mitondra mankaiza akory ireny,
Fa etsy Analakely ihany!
*
Tsy Andriamanitra no ratsy,
Ka nandrara ny olona tsy hanao valifaty;
Tsy mahasoa antsika izany,
Satria samy ho faty ihany!
*
Ndrao ho potika sahady,
Amin'ny fiainana vao manomboka.
Moramora ihany lesy zandry,
Fa ny tany fandalovana!
*
Nosoratan'i Herizo RAVONJISON ANDRIANITSIAHY
--------
Rohy:
832 1
Mpakafy: roland_savio
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0164