You are here: home > Vetso

Tsiry sy ny soa - RAVONJISON HERIZO

Misy fo miteny, mety misy mihaino,
Misy feo mihira ny voahary,
Misy feo miantsa ny taraina,
Misy feo mamaky irony sary!
_________
Misy feom-boromanga, miantsa sy mikalo,
Misy feo malemy miantso firaisankina,
Misy feo miangaly tononkalo,
Misy feo mihiaka fitoviana!
_________
Misy feo milanto, manindrona ny saina,
Misy feo mitomany te hitroatra,
Misy feom-bahoaka miferinaina,
Misy feo manosika ahy hanoratra!
_________
Misy feom-behivavy, manangoly moramora,
Misy feon-dehilahy mibetroka mamoha,
Misy feo tompon'ny lamako sy ny akora,
Misy feo mandoka ny tsiry sy ny soa!

Hametraka hevitra

Midira aloha