You are here: home > Vetso

Fa iza moa aho(?) - Tojo Rta Avotra

Iza ary aho
moa mba fantatrao?
izaho dia izaho
no mahatonga ny talaho.

Izaho no mpampahory
mahatonga sorisory
tsy mampahita-tory
nefa tsy hitanao akory...

Izaho?tsy vitsy mpahafantatra
Izaho anefa mpiangatra
Izay mitady tsy omeko
izay mangataka tsy ekeko

Nefa misy ataoko voky
ka dia mahazo toky
Mihanoka ny hamamiko
tsara toerana ao an-tranoko

Izaho?Tsy mampisalasala
Fa dia mahalasa adala
Raha tsy mahazaka sangy
Dia veloma,mampamangy...

#
Nefa,mbola izaho
no nahariana,an'izao tontolo izao
Nahatonga anao ho teto
dia mbola izaho hatreto

Dia mbola izaho ihany
No mahafoana ny halavirana
Ireo masonao tomany
ho lasa hendrika mirana...

Eny,raha izaho tokoa
No hameno ny andronao
dia hiova endrika tanteraka
izao tontolo izao.

Fa izaho dia afo mahasoa
raha atao ampahendrena
Tsara noho ny vatosoa
Sarobidy noho ny volamena

Fantatrao ve aho?
Efa renao ny tantarako?
Sa tsy azonao?
Fitiavana no anarako...

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha