Ny teny Malagasy (Tojo Rta Avotra)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho raisiko ny peniko
Hanandratako ny teniko
Sao sanatria ho neniko
Raha ho koboniko sy hafeniko.

Fa io mantsy no mba lovako
Ka fefeko sy harovako
Ho koloiko sy hajaiko
Satria tiako sy lalaiko.

Ekeko tsara ny an'ny hafa
Kanto, lafatra aok'izany
Nefa ho dradraiko tsy an-ki-hafa
Fa ny tenin-drazako hafa iany.

Nolazaina koa fa tara
Ary feno bangabanga
Tsy mahalaza izay ambara
Ka dia nanaovana kinanga.

Nefa io no nibadana
Nahalalàna niantso mama
Raha fony vao nandady.
Nefa dia nolavina sahady.

Fa ho aiza moa ny hiafarana
Raha ny anao aza nialàna?
Ny an'ny hafa tsy homeny
Eo ianao vao hitady "neny"

Koa aoka re raha azo atao
Mba hamasino sy hajao
Na tafondro na koa basy
Aza avela hangasihasy
Fa asandrato hatrany, 'lay tena teny malagasy
Mba tsy ho nenina atsy ho atsy
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
1391 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tojo Rta Avotra
Nampiditra : Tojoavotra
Daty : 12/01/2014 14:31
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101