You are here: home > Vetso

Enga anie... - Tojo Rta Avotra

Azo vakiana?

Enga anie ny taona vao
Hitondra soa ho ahy sy hianao
Ka ho fifaliana hatrany
Ny andro sisa eto an-tany

Aoka anie ny hadisoana
Tsy ho adino fa tsaroana
Hanitsiana ny ho avy
Ka samy hahay hamindra, isika mianakavy.

Ireo toetra ratsy tsapanao
Avelao sy hialao
Aleo hivalona ho tantara
Ario mihitsy fa tsy tsara

Dia mirary soa tanteraka
Ho tojo 'zay niriana
Na mbola lavitra aza ny hezaka
Aza mety resin'akiviana

Saingy, aoka ho mailo hianao sakaiza
Fa mbola maro anie ny sakana
Noho izany n'aiza n'aiza
Dia araho fivavahana

Dia araho fitiavana
Tandrovy koa ny fihavanana
Ary asio fahendrena
Fa ireo no tena harena...

Sokajy : Tso-drano