Naleoko (Tojo Rta Avotra)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Naleoko nangina
tsy hamaly akory
ireo teny ratsinao

Nekeko ny ho sina
Na dia nanorisory
Ny hantsihantsinao

Naleoko niala mora
rehefa indro ianao toa tazako
Miaka-miakam-pofona

Toa mitady handrora
Sy hamelaka ny tavako
sa te hanongo sofina?

Naleoko namefy
ny foko tsy hitroatra
Mba tsy hanenenako

Naleoko nandrefy
Hatrany ambany aotra
Ny taham-pandeferako
--------
Rohy:
Sokajy : Fiaraha-monina
1196 0
Hevitra mandeha
fanasina7 ( 13/01/2014 09:20)
Tsy resy akory zay olo-mangina e !
Ny fandeferana koa tsy faharesena akory !
Zany no tena fahendrena :)
Tojoavotra ( 18/01/2014 11:32)
Marin'izany :-D
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tojo Rta Avotra
Nampiditra : Tojoavotra
Daty : 12/01/2014 15:46
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2023 - page load 0.0372