Tiako... (Tojo Rta Avotra)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tiako tsy an-kiteny
tiako tsy an-tery
tiako tsy an-kery
Ary tiako tsy ho very.

Mamy sy lalaiko
Vahatry ny aiko
Jiron'ny saiko
Ka ny andao tsy ho haiko.

Tiako ho ahy manokana
Fa tolom-panavotana
nanavotra ny foko
Tao anatin'ny korontana.

Tiako tsy mihafa
Tsy atakalo hafa
Tsy havariko amin-tafa
Fa kendreko tsy ho voafafa

Ka ho tiaviko hatrany
Na eto na koa any
dia mbola izy iany
'Lay TIAKO
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1440 1
Mpakafy: Miits5iky
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tojo Rta Avotra
Nampiditra : Tojoavotra
Daty : 18/01/2014 10:30
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152