You are here: home > Vetso

Iny fahanginany iny - Tojo Rta Avotra

Azo vakiana?

Iny fahanginany iny
Mifono hevi-dalina
Tsy azonao takarina

Io no haminaniany
Ny diso sy ny marina
Tsy hainao ho fantarina.

Iny fahanginany iny
No mba hamangiany
'Lay tiany sy malalany

Any ambadika tsy tazany
Raha mila tsy ho tantiny
Ny antsoantso lavan'izato fo adalany

Ka aoka hianao tsy ho gaga
Raha foana ny kotaba
Sy ny siokan'ny mifaly

Fa ny fahanginana
Efa nanakombona ny vava
Handefa ny fisainana,handinika ny omaly...


Isaorana manoka an'i Tsiaro Nofy

Sokajy : Aingam-panahy