You are here: home > Vetso

Ny lasantsika - Tojo Rta Avotra

Azo vakiana?

Ny lasantsika omaly
Tsy hiverina eto intsony
Na ny sento sy ny jaly
f'efa any ankoatry ny ony.

Ireo tsikitsiky
Sy ny teny maminao
Dia efa namikiviky
Nitsoaka sy nandao.

Ny vazivaziko aza dila
Nitsoaka koa ny safosafo
Efa levona sy kila
Nanjary kilalaon'afo.

Nefa kosa ny hamafa
Ireny tsiaro tsy ho vita
Dia ny tandindon'ireo lasa
Na dia hanao an-ditra.

Fa iz'ireny voasokitra
Vita sary ao anaty
Ka tsy maintsy ho hita soritra.
Ho tantara mandra-maty.
TSY HAY HADINOINA

Sokajy : embona

Hevitra mandeha

fanasina7 (13/01/2014 08:23:27)

Fiainana daholo zany e! Na ny tsiky na tomany, hifandimby foana eto an-tany!