AIZA NY SEKOLIM-PITIAVANA? (AbouNusrayni)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AIZA NY SEKOLIM-PITIAVANA?1
Efa ela izay aho no velom-panontaniana,
Raha mahita ireo tranga eny amin'ny manodidina.
Mamely mafy ny ankaso, ny alahelo, ny hakiviana;
Tena mitombo aok'izany ireo lavo, mitsingidina.
2
Manan-desona tokoa rh'ireo finoana rehetra;
Ny amin'izay tondrozotra mba tokony ho arahina.
Nefa ireo izay manaraka toa vitsy sy voafetra;
Ary betsaka amin'ny olona tsy mihaino sady pahina.
3
Fa maninona hatrizay no tsy mba misy ny finiavana;
Mba hampianatra an-tsekoly izany atao hoe tena miaina.
De ny rivotra mitsoka no mampianatra fitiavana…
Nefa ny miofana amin'izany sady tsara no ilaina?
4
Ny ambaratonga faharoa mba nasiana ilay taranja,
Hilazana ny fiasan'ireo taova-pananahana.
F'ilay tena zava-tsarotra izay miandry eny an-kianja,
Tsy misy mba manoro fa navela ho baranahana.
5
Ny asa sarotra rehetra dia nasiana fanofanana;
Ny dokotera, porofesera, saofera sy enjeniera.
Ka mahagaga ahy mihitsy ny tsy mba nanokanana;
Sekoly ho an'ireo tsy hanao mompera na masera.
6
Asa mankadiry izany hoe Dada na hoe Neny;
Tsy misy fanandramana fa mandra-pahafaty.
Ireo zava-tsy milamina rehetra hita ombieny;
Tsy misy antony hafa fa fianarana poakaty.
7
Ny tena fototry ny fiaiana tsy atoro any an-tsekoly;
Fa navela handeha ho azy amin-tele sy fesiboky.
Tsy mahagaga raha mandripak'izay tsy izy ny devoly;
Nohamoraintsika ho azy ny mangeja sy mambotry.
Zoky Abou Nusrayni
Filaozofy Poeta Mpampianan-tena
09_11_2019
--------
Lien: