BANDY AKAMA MITADY, BANDY AKAMA MILAY... (AbouNusrayni)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
BANDY AKAMA MITADY, BANDY AKAMA MILAY...
(entiko teny etoana)

Na tsy dia nianatr'izahay de mba manam-pahiratana.
Tsy miantehitr’ aman'olona na mafimafy ady.
Manatsara izay amidy ny anay no fisandratana;
Atao milay fotsin' n entana de tamy ny tinady.

Ireo kaopy an-tsihoa, ny kaf'tera ambony fatana;
De raikitra ny dia, mitety lalana mavitrika.
Mandeha mahita raha, manatanjaka ny vatana.
Reveko manja ny ahy ny asako na kely na dia bitika.

Ny mason'olona mijery tsy ataoko mba ho sakana;
Mampidi-bola ny ahy io ka tsy misy mampahory.
Ny tsenako mandeha ary mih'mahazo vahana.
Ka vao maika zah "korazy" ary tsy matoritory.

Asiako fehiloha maintso mba ho entiko miatrana,
Midika fah’tokisana ny ho aviko hamiratra
Tena resy lahatra aho, ny hiteny anao mivantana;
Aza dia miavon-tsy feno sao tsy hahita andro mihiratra.

Rah toa enao tsy an'asa ka miandr’izay hitantana;
Alao hery, aza kanosa, mba manaova toa ahy.
Ny Tompo tsy hanampy rah’enao kamo mitsangana;
Taraiky eo angeh enao rah’hoe ka menatra tsy sahy.


Zoky Abou Nusrayni
Fanahy niainga tamina zandry kely mpivartra kafe teny an-dalana mandehandeha mitantana fatana misy kafetiera sy sihoa feno kaopy ao anatiny ary voahodidina boatin-dronono sy boatin-tsiramamy ary boatina sôja sy boatina kakaô mifatotra ety ivelany.
Fanajàana be ho azy, ary pao-tsatroka.
10_23_19
--------
Rohy:
736 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.013