Ny hakanton’ny taniko (AbouNusrayni)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny hakanton’ny taniko

Vao misandratra ny andro
Manjopiaka ny hazavana
Manavatsava ny tontolo ka mamohafoha fanahy hazoto hiatrika lahasa

Irony voninkazo misy laingo
Sariaka tsara mahatamana
Rehefa soa kolokolo dia mandrisika ny saina hahatontosa izay kinasa

Ny tsio-drivotra sy ny ando
Ny hatsiaka, ny hafanana
Mandravarava bobongolo ny fifandimbiasany ombieny efa voarindra fomba fiasa

Toa tantara feno faingo
Tsy mety misy fiafarana
Sasatry ny misolosolo ireo hasoava-mahavariana hatramin’ny andro rehetra lasa

Ampy hampiadana ahy fa kanto
Ambarako tsy isalana
Fa tena mahatorotoro raha izany rehetra izany no avela ho voarasa.

Toa niverina ireo “Voanjo”
Mihanaka eran’ny tanàna
Manjaka ery ny kolikoly, lasany daholo ny tany, k’izay hiafarantsika re de asa!

Abou Nusrayini
10th April 2018 PM.
--------
Lien:
Catégorie : Tanindrazana - Aingam-panahy
487 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0194