NY LEHILAHY TIA… (AbouNusrayni)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY LEHILAHY TIA…
1.Andao isika mba tsy hisorona miteny.
Ka tsy hanamaivana ny resaka fitiavana.
Tsy ho avela vita mora fotsiny eny;
Ireo fiainan’olo-maro efa potika sy ravana.

2.Ho arovana ary ve ireo mpamadika,
No lazaina fa aza anarina imaso.
Raha ho resahina mitokana any ambadika,
Dia higalabona ireo mpanao ny ankaso.

3.Ireo mpilalao vehivavy no teneniko,
Miafina ao ambadiky ny fombafomba iray.
Ilay hoe vady vonjy maika no potseriko.
Tsy fomba mendrika io fa dia ala safay.

4.Satria ve nisy ny toe-javatra taloha,
Namelana izany fomba ho azo atao,
Dia ankehitriny ianao manasa atidoha,
Ny fakana vady zary lasa kilalao ?

5.Tsy ierana akory amin’ny fianakaviany;
Fa ianareo roa ihany no mifandamina.
Rehefa lanilany avy eo ny fahamamiany
Afaka averina fa zavatra nindramina?

6.Soratra masina iray no voizina;
Hanamafisana izato fomba ratsy.
Mody hoe azo atao nefa poizina;
Ampihinanina ireo tsy dia ampy vatsy.

7.Izay mihitsy manko ilay fialana tsiny
Hoe raha mbola tsy ampiampy ny ho enti-manana.
Kanefa mba mitia an’iny vehivavy iny,
Dia azo amasinina ilay fiarankarahana.

8.Omena azy any amin’ny mangingina,
Ny vodiondry mba ho mari-panajàna.
Ny fotoana iarahana mody ampiampiana,
Rehefa avy eo mitady irika ialàna.

9.Ary ireo soratra masina sasany
Mandidy fangatahana any amin’ny havany
Sy ilay fe-potoana tsy maintsy iandrasany.
Ma ve mba henonao eo amin’ny vavany?



10.Lazaina fa azo ferana andro vitsivitsy,
Ny fivadiana vonjimaika raha mifanaraka,
Dia fanahy iniana tsy resahina mihitsy.
Ilay telo fadim-bolana iandrasan’ny mpisaraka.

11.Fahotana goavana sy tena tafahoatra,
Ny tsy fanajana ilay fotoana fifadiana.
Sa tsy matahotra ny sazy any an-koatra.
No manao tsirambjna amin’ny fanambadiana.

12.Tsy hita loatra anie izay tena manakana,
Tsy handresena lahatra ilay rainy niteraka;
Ny ratsy saina no miahotra sy miakana;
Fa raha tena tia ny “Nikah” ho tanteraka.

13.Ireo mpanao an’izany amin’ny vehivavy.
Rehefa any aoriana izy hita fa tafita.
Angaha tsaroany ilay nataony vadivady.
Maka hafa izy, iny odiany tsy hita.

Abou Nusrayni,
30_01_20

Misy fanazavana fanampiny (CONTEXTE) eny amin’ny commentaires:
--------
Rohy:
1197 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105