MIJANONA AO AN-TRANO - AbouNusrayni
MIJANONA AO AN-TRANO
(NY SAINA)
1.Zava-doza ity mandalo,
Fandringanam-pahavalo
Ka mifona re, mivalo,
Fah’salamana aza atakalo.
(NY FO)
2.K’izahay anie mitady,
tena mbola mafy ady.
Efa miavosa ny tinady
Mila hampisara-bady!
(NY SAINA)
3.Mba tsy ho tojo izay angano,
Ka an-dranomaso no hilomano;
Ny zaza anaro, tena ofano,
Mba tsy hivoaboaky ny trano.
(NY FO)
4.Tsy hita ity izay hatao,
Ny hanina ao an-trano ao.
Efa lany ka hiantrao
Mosary anie tsy kilalao.
(NY SAINA)
5.Io tsy mifidy velively,
Na matavy ianao na kely,
Na mpanota na anjely,
Tsy misangy io fa mamely.
(NY FO)
6.Efa nakarinay ny feo,
Moa tsy mihaino ianareo.
Maty noana , mitoreo,
Miha mijaly noho ny teo.
(NY SAINA)
7.Aza miseho ho mafy loha,
Sao voaantso hitodi-doha,
Ho lasan-ko razana mialoha,
Nef’izy ity ka vao miandoha.
(NY FO)
8.Izahay te hankato
Fa rahoviana ihany moa
Ilay fanampiana mahasoa
No ho sitrahanay tokoa?
(NY SAINA)
9.Ten’efa mikarakara.
Fa tsy mora ny mizara.
Samia re miandry anjara
Ary ajanony ny kafara.
(NY FO)
10.Tena te hiandry izahay
Saingy efa mahamay
Jereo ireto zanakay
Maty noana mikolay.
Ny saina dia hanehoana izay any ambony any (ny mpitondra ohatra, fa tsy voatery)
ary ny fo kosa dia anehoana izay aty ambany rehetra (ny vahoaka ohatra, fa tsy voatery)
Abou Nusrayni,
Lasalasa saina….
31_03_20
Mombamomba
Mpanoratra : AbouNusrayni

Nampiditra : AbouNusrayni
Daty : 31/03/2020
Mpamangy : 635
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
DERA BIKA (tabarrouj)Varilavo Alahady…
AZA AVELA HO VERY FOANA…
Le véritable sens du Ramadan
TSY MILA ANTRA I AFRIKA
TRANO ATSIMO SY AVARATRA, IZAY NOANA FAHANO!
POROFOM-PITIAVANA TOKONY HAMPIBITAKA…
NY LAFY TSARANY…
KODITRA19
SOA FAGNAHY...