TSY TIANY HONO AHO (Aina Nirina)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY TIANY HONO AHO« Tsy tiany, hono, aho… »
Izany teny izany no mba valin-teniny,
Nataony tena henoko fa tsy hoe nafeniny,
Nefa rehefa avy eo dia nifanoho-molotra…
Lazainy hoe notereko fa tsy mba natolotra…
Ny tanany nisafo ka nahazoako fy
Hoe tsy fanahy iniany na noho ny fony tia,
Fa nikorisa ho azy noho ny aingan’ny fanahy :
Kanefa tena tiako sy nahafinaritra ahy…
Tsy tana koa ny tanako fa mba namihina azy,
Nikorisa mora tsy nisy mpanasazy :
Nanolotra fitiavana sy sombin’(h)afanana
Ka nahazo tsirony : tsy ela dia tamana…
Kinanjo tsy nampoiziko : nesoriny ny tanako,
Ny molotro nialany ka gina ilay fitiavako,
« Tsy tiany, hono, aho » ‘zay ‘ndray ny ambetin-teniny,
Ny zava-bita teo aza, hono, tena neniny…
Fa « tsy tiany, hono, aho e !... »
AINA NIRINA
(09 marsa 2015 tamin’ny 20 :02)
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana
Commentaires
andry 1000
(
03/04/2015 05:17)
hihihi!!
mety rehefa anilany de tsy tiany ianao
fa raha lavitra azy de indro fa mitady ilay fitiavanao
mahafinaritra e! tsara be..
mety rehefa anilany de tsy tiany ianao
fa raha lavitra azy de indro fa mitady ilay fitiavanao
mahafinaritra e! tsara be..
voatsinampy
(
23/11/2016 11:50)
REHEFA NANDINIKA NY TONONKALONAO MAROMARO NY TENAKO DIA TSY DISO IANAO NAMETRAKA TAO ANATIN'NY ANARANAO HOE POETA FA IZANY TOKOA IANAO.. MANKASITRAKA