TENY... (AJO)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Teny ahoteny am-pamotoanan'itsy
morona farihy
sy ny taratra voavoatra
avy etsy ankotrahoatran-
tsefa-drahona, nandihy
nefa ianao, tsy mbola tonga
Teny aho,
teny an-dalana fihaonan'
ny andon'ny maraina
sy ny tranga moramoran'
irony felana tanora
teny an'ivon-jaridaina
fa noheverinao somonga
Androany ianao, teny hony
saingy izaho, tsy teny intsony!
(1998 - In Angola Vaitra)
--------
Lien: