TSY TAFANDRY (AJO)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Dia eto tsy tafandryfa miandry
ny ora
isaloran'
ny salovanao
lalovan'
ny hirahira
nokiniran'
ny foko mba nibintaka
Dia eto miandry sary
izay navarin'
ny taona maro,
mifangaro
faharetan-
ketahetan'
ny alaheloko, mba hisintaka
Manantena volamena
ny fahanginana nosikinana
'lay endrikao iny, iky,
O! tsinjoko nitsiky!
--------
Lien: