fitia manova (AMN (Arialy))

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
moa tsy ianao no hoe nilaza
oe efa lehibe sy tena matotra
ka tsy hitaba sy koa hivazavaza
fa hanaja, hiahy sy hatahotra

moa tsy ianao koa no niteny
fa ireny ditra sy teny ratsy
izay nolavina sy bedin'i neny
dia manary toa mahalany vatsy

moa tsy ianao no nitaraina
fa ny toaka sy rongony moa
no mahavery sy mampiova saina
ka ahato sy hajanona tokoa

moa tsy ianao no nampatsiahy
fa ny fo sy sainao dia hadio
ka hoe koa ny fitiavanao ahy
dia tsy hisy tasy manomboka anio

moa tsy ianao no nibaradaka
fa ny ditra sy ireo hadalana
izay naharesy sy nahavalaka
dia havela fa mampisy fankahalana

moa tsy ianao izao no tonga eto
mbola mitantara ny tsy mety vita
ka mahatonga ahy mbola hisento
fa ny tiako ny fiovanao ho hita

moa tsy tokony hiandoha amin'izay
ny ezakao sy ny soa hataonao
ary koa iriana aharitra rahatrizay
fa tsy lalovana ka mbola ho fanao

andao anio no hiandoha ny ezaka
na izaho na ianao hiara hizotra
fa tsy hatahotra na koa hifezaka
ireo sakana mety mbola hanohitra

ho tanteraka izany raha toa isika
izaho,hanampy anao hanatanteraka
ianao, hikezaka mafy sy harisika
amin'izay hanana hery tsy ho reraka


AMN Arialy
--------
Lien:
Catégorie : Fampaherezana - fiainana - Fitiavana
1062 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : AMN (Arialy)
Inséré par : arialy
Date : 05/08/2010 19:13
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148