Ny fireneko (AMN (Arialy))

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny fireneko anie ka lavo
tsy mba mena, lasa mavo
ny olona izay ao, indrisy
izay hohaniny tsy misy
mitady mafy ny sahaza
toy ny mitazana mazava

Ny fireneko anie mahantra
tsy misy ny mba antra
ny olona lavo, nigorisa
ka miandrandra mana sisa
mijaly mitaraina, noana
ny ao ankibo moa dia foana

Ny fireneko anie malemy
ny matanjaka no miteny
fa ny madinika dia ory
tsy mba manan-kery akory
ny hitraka ka hihoitra
maloto, be kibo ny sakoitra

Ny fireneko anie marary
tsy mihetsika toa sary
ka ny olona avy lavitra
no manao azy ho savika
mitolona sy toa mangeja
toa manaporitra fa ngeza


AMN(Arialy)
--------
Lien:
Catégorie : tantara - Fahantrana - Tanindrazana
1278 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : AMN (Arialy)
Inséré par : arialy
Date : 04/10/2011 08:17
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148