Ny hoavintsika (AMN (Arialy))

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ilay dianao omaly
zary tritra nankarary
Ity foko malahelo
Zary sina toy ny avelo

Miteny irery anefa gina
Tsy hita intsony izay tiliana
Te hiantso hoe avia
miverena, ka modia

fa any andro hoy ianao
irony serana fanao
dia ho foana sy hadino
ianao, hitoetra tsy hirimo

Isika roa manantena
fa ny hoavy no jerena
toky vita no an-doha
hitsikiana raha mifoha

tsy ho nofy ny aoriana
fa ny rano hikoriana
hanadio ny loto teo
ka ho foana ny toreo

Ho mazava ny maraina
tsy hisy itsony ny taraina
fa ny fo miara-droa
Dia tsy hisaraka tokoa

AMN (Arialy)
--------
Lien:
Catégorie : fanantenana - Fitiavana
1297 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : AMN (Arialy)
Inséré par : arialy
Date : 08/03/2010 18:59
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0208