Ny tiako indrindra (AMN (Arialy))

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
tiako ianao satria
ao ampoko ho doria
hamoizako ny aina
raha toa ka ilaina
mahalasa ny fisainako
satria ianao no fiainako
ho tontosaiko avokoa
izay rehetra hahasoa
sombinaiko tiko indrindra
napianariko namindra
ny hoavinao no hiezahako
hafoiko anao ny fananako
omeko ho anao daolo
izay rehetra ho ajoro
na voatery aza aho hitokana
dia hiezahako manokana.
Indraindray aho masika
aza arahin-disadisa
fa hoanao foana ireny
ka tiavo foana i neny.
Any andro aho tsy ho eo
aza babon'ny toreo
fa manaova mafy saina
Alaviro ny taraina...

AMN. (Arialy)
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
1213 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : AMN (Arialy)
Inséré par : arialy
Date : 08/03/2010 18:55
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143