GASIKARA- TANINDRAZAKO MALALA (ANDRINIAINA1)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
"Tanindrazako!"

Tiako ianao ry Gasikara;
Tanindrazako malala!
tiako ianao ary mamiko;
Ka asandratro sy andrianiko!

Tiako ianao ry fireneko;
Ka ny amiko rehetra no omeko:
Hanompoko anao ilay nekeko;
Satria ianao no fiereko!

Tiako ianao ry Gasikara;
Tanindrazako malala!
Tiako ianao mba ho tsara:
Ho an'ny taranaka amam-para.

Iriko hanjaka aminao ny fahamarinana,
ary koa ny filaminana.
Indrindra moa ny fifankatiavana,
ka hahay hifamela sy hihavana.

Iriko hanjaka aminao ny fiadanana,
ary koa ny fahasambarana.
Indrindra moa ny fanana fahendrena,
ka hahay hanandratra ny firenena.

Iriko ianao ry Gasikara
Tanindrazako malala:
Ho firenena anjakan'Andriamanitra,
Ilay Zanahary Tompon'ny tany sy ny lanitra.
Indrindra moa ho tia sy hino AZY lalandava,
Ka hahay hiaina izay mitranga.

Iriko ianao ry Gasikara
Tanindrazako malala:
Ho firenena mahay miaina: ny finoana, fanantenana, fitiavana,
Dia ho ao aminao: ny fahasambarana, fiadanana...

Koa tahionao ry Zanahary: ny Malagasy rehetra!
Mba hahay hifankatia, ka hatoky anao tsisy fetra!
De ho nosy sambatra anie i Madagasikara:
Ary ho olombanona ny taraka amam-para.

ANDRINIAINA1.
--------
Lien:
Catégorie : Tanindrazana
1743 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139