IANAO ToKoa ilay VONINKAZO! (ANDRINIAINA1)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VONINKAZO

Ianao tokoa ilay voninkazo;
Ilay koloiko tsy halazo.
Ilay tiako ka hajaiko,
Ilay mamiko sy lalaiko.

Voninkazo tena soa;
Tsy mba manam-paharoa
Nanentana fanahy,
Ho afaka ahiahy.

Voninkazo tena tsara;
Tena irina mba ho anjara.
Nanentana ny saina;
Hahay hanaja sy miaina.

Voninkazo tena kanto;
Mampirindra sy milanto.
Nanentana ny tena,
Hiaina am-pahendrena.

Vonikazo tena raitra,
Manintona sy manaitra.
Nambabo ny fo ho tia;
Tsy hivadika doria.

Ianao tokoa ilay voninkazo;
Ilay niriko mba hihazo.
Ilay toerana ato am-poko;
Natokako ho anao tsy foiko.

ANDRINIAINA1.
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
1701 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0138